Mandritry ny fanabeazana ireo ankizy sy zavatovo dia efa atomboka ny famolavolana azy ho amin'ny adidy sy andraikitra maha olon-dehibe sy ny ha-olon-dehibe. Raha fianakaviana tsy ampy fifaneraserana sy fifanankalozan-kevitra dia mety ho olana ho an'ny fanabeazana satria hahazo vahana kokoa ny toro-hevitra sadasada any amin'ny fiahara-monina ivelan'ny tokantrano. Ilaina araka izany ny fifankahazoana am-po eo amin'ny mpianakavy... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny anambadian-ko namana, ny hiterahan-ko dimby. Na tsy misy aza ny zaza dia maharitra ny fanambadiana ary tsy azo ravana. Toetra voajanaharin'ny fanambadiana ny fiterahana. Fanomezana tsara indrindra avy amin'ny fanambadiana ny zanaka. Fahasoavana lehibe avy amin'Andriamanitra ho an'ny mpivady ny zanaka... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.
Eny, ny hafaliana sy ny fanantenana, ny fahoriana sy ny ahiahy manjo ny olombelona amin'izao tontolo izao, manjo indrindra ny mahantra sy ny mijaly dia mihatra ihany koa amin'ny mpianatr'i Kristy, dia izay rehetra kristianina vita Batemy. Tsy ny tena samy irery no soavina, tsy maintsy mifanasoa ny tany ama-monina, zava-dehibe ny soa iombonana, firaisan-kina ; tanana ny fitondratena mandresy ny tsy rariny... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady faha-6 - Taona A fankalazana ny Paka - Ny Fanahy Masina no manohy ny asan’i Kristy ; Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina ao aminy. Harivan'ny nanasan'i Jesoa Kristy ny tongotry ny mpianatra no nanaovany ity fampianarana ity, izay nanomezany ny didy dia ny "fitiavana", ity Evanjely ity dia mirakitra ny didim-pananan'i Jesoa, momba ny fitiavana. Fifandraisan'ny fitiavana sy ny fankatoavana ; ny fisehoan'ny fitiavana an'i Kristy dia ny fitandremana ny didiny...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco