Ramanetaka dia governora an'i Mahajanga tamin'ny andron'i Mpanjaka Radama. Raha araka ny tetiarana dia Printsy Malagasy amin'ny laharan'ny olona mandova fanjakàna avy amin'i Radama-I, izy satria zanaky ny Mpiray tampo amin'i Radama. Tsy nanana zanaka anefa ny Mpanjaka Radama, ny Mpanjaka Ranavalona-I no nandimby azy ka nampamono izay mety ho mpandova fahefana sy fanjakàna mba hanjakany ankalalahana, noho izany dia nitsoaka tao Comores i Ramanetaka. Rehefa niorom-paka sy nifanandrina tamin'ny tompom-pahefana tao Comores izy dia lasa Mpanjaka tao, nandray ny anarana Abdou-Raman...
Miseho amin'ny endrika maro ny fahamasinana, niainga tamin'ny safidim-piainana manokana ny famaliana ny antso ho amin'ny fahamasinana, ny maro nijanona ho lahika, fa ny sasany niroso tamin'ny fanokanan-tena ho pretran na relijiozy.Ho fikatsahana ny fahamasinana dia miara-misalahy sy mifanome tanana hifanompo sy hifampitondra mankany amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Nisoko mangina tsy re tsaika firy, fa zary lasa olana mitoetra efa ho herinandro mahery teo izay, ny rano mampiodina ny seha-pitaterana, raha ny niainana teto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina. Toa noheverin'ny maro fa.... handalo fotsiny toy ny fikoropahana mahazatra rehefa amin'ny vanim-potoanan'ny fety, ny zava-nisy nialoha ny fetim-pirenena tamin’ny 26 Jona teo. Tsy rototra firy rahateo ny olona satria niditra an-tsehatra nanazava tamin’ny mpanao gazety, nandamin-dresaka amin'ny fahampian'ny tahirin-tsolika ny minisitra tomponandraikitra sy ny OMH.
• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco