Notendren’ny Papa François ho Eveka mpanampy ao amin’ny diosezin’i Morondava, androany 19 mey 2023, i Mompera Jean Nicolas Rakotojaona, Pretra diosezanina avy amin’ny diosezin’Antananarivo. Teraka ny 18 janoary 1973 tao Anosy avaratra, Antananarivo, i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona. Zanak’i Rakotojaona Jean Pierre sy Razafinjaika Hélène.
Hafatry ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara. “Nikely aina mandrakariva koa aho mba tsy hotsinin’ny feon’ny fieritrertako, na eo anatrehan’Andriamanitra, na eo anatrehan’ny olombelona” (Asa 24, 16)
♦ Anisan'ny nankalaza ny Andro Maneran-tany ho an'ny Mpanabe androany, ny tao amin'ny sekoly Stella Maris Toamasina... ♦ Nomarihana tamin'ny faran'ny herinandro teo, ny Andro Nasiônaly ho an'ny TAMPIKRI, ka nanatanteraka hetsika manokana ny TAMPIKRI tao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Nankalaza ny fetin'ny Olomasina mpiaro azy ny EKAR Notre-Dame de Fatima Ambohipeno, Distrikan'Andranomadio, Diôsezin'i Tsiroanomandidy...
♦ Nanatanteraka fiofanana mitohy nandritra ny telo andro, ireo Inspecteurs sy Katesista avy ao amin'ny Misiona telo ao Mandritsara, Diôsezin'i Port-Bergé, nanomboka ny talata teo... ♦ Efa ao anatin'ny fiomanana tanteraka amin'ny fandraisana ireo ankizy avy amin'ny diôsezy manerana an'i Madagasikara, ny Diôsezin'Antananarivo, izay mpandray ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy andiany fahatelo... ♦ Hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Vehivavy Katôlika ny FFBKEM, ny 14 mey 2023 ao amin'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco