Ny vatana dia anisan'ny maha-olona, tsy azo hamavoina, tsy azo amidy, ary tsy azo atao fitaovana hanatanterahana faniriana tsy manaja ny hasin'ny olona. Manana lanja ara-panahy ny vatana. Tsy fonja mitazona ny fanahy ny vatana fa toerana isehoan'ny olona sy iantsoana azy hanome voninahitra an'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.
• Hamoaka vola taratasy vaovao ny Fanjakana. Nilaza ny Banky Foiben'i Madagasikara fa tsy misy ifandraisany amin'ny fakan-kevitra faobe ny momba ny ho avin'ny vola malagasy... • Vinavinaina hiakatra 5,1 % ny fitomboan'ny harinkarena faoben'ny firenena amin'ny taona ho avy, araka ny voarakitry ny volavolan-dalana mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2027... • Ahiana hiteraka fifandonana ny fitrandrahan'ireo teratany Sinoa volamena any amin'ny Distrikan'i Tsaratanana. Miantso ny Fanjakana handray andraikitra, dieny izao, ny solontenan'ny mponina any an-toerana...
Mba hiomanana sy hanomanana ny tanora sy izay ho tompon'andraikitry ny firenena amin'ny ho avy tsara kokoa dia tsara ny hanaovan'ny mpianatra sy ireo mpikaroka eny anivon'ny Anjerimanontolo, fikarohana sy boky fanohanana hevitra manodidina ny dinam-piaraha-mitantana izay efa nisy. Miainga amin'ny olona 2 ny fiaraha-mitantana ary fototra mahamafy orina izany ny toe-tsaina. Ny DINA dia hajain'ny Malagasy kokoa miohatra amin'ny lalàna, satria niorina tamin'ny fifanakalozan-kevitra, fifampiresahana, fifanajana, ahitana taratra fiombonana... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...
Ny zava-misy ankehitriny dia maro ny tanora, mbola tsy nihomana amin'ny fanabeazana ny zanaka sy ny fiahiana ny ankohonana, izany hoe ny sehatra maha ray aman-dreny, anefa tena mitondra any amin'ny faharavan'ny ho avin'ny zanaka ny fahadisona ataon'ireo ray aman-dreny. Maro ny tsara ho fantantra manodidina ny fampihantana zanaka ary misy voka-dratsiny; ny fampihantana dia mety ho tsy famelana ny zanaka hisitraka araka ny maha-izy azy, isaky ny taona lalovany, ankoatra ny fanarahana ny sitrapony... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco