Fanirian’i Papa François ny hanaovan’ny Eglizy katolika any Ethiopie sy Erythrée ho fanamby ny fahafahana manao ny tsara.
Antso avokoa ny asa ataontsika eo amin'ny fiainana andavanandro fa misy ny antso iombonana ho an'ny olona rehetra dia ny fahamasinana. Manazava ny atao antson'Andriamanitra i P. Justolat Rafaralahimboa:
Harena mila fantarina, ekena sy hajaina, ary tantanana mirindra anaty fifamenoana ny hasin'ny fahasamihafana fototra voajanahary, lamina nandaharana ny voahary, anohizana, anavaozana, sy andavorarian'Andriamanitra ny tontolo, mba hitondra any amin'ny fahombiazana sy fiadanana. Eo amin'ny sehatry ny ankohonana, fiaraha-monina, firenena, raharaha iraisan'izao tontolo izao. Amin'ny lafiny fo, saina, fanahy, fiaraha-monina.
Manohy hatrany ny katesizin'ny Papa François momba ny zokiolona isika, izay nanomezany fampianarana manokana momba ny antson’Andriamanitra na ny antso ho azy ireo. Izany hoe ny anjara asa manandrify azy ireo ao amin’ny fianakaviana na ny fiaraha-monina. Fanazavana entin'i P Justolat Rafaralahimboa
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco