♦ Tsy voafehin'ny lalàna mifehy ny fampielezan-kevitra ny vondrona Panorama... ♦ Tsy atahorana fa mbola misy ny tahirim-bary eto Madagasikara, tsy tokony hampiakatra ny vidiny ny mpivarotra... ♦ Niatrika fitsaràna tany Frantsa noho ny raharaha kolikoly i ngah Nicolas Sarkozy...
Ny fanolanana dia fanaovana herisetra mahakasika ny mahalahy na ny mahavavy, izany hoe ireo faritra manentana ho amin'ny firaisana ara-nofo. Ny vady ao an-trano dia misy fotoana voasokajy ho mpanolana rehefa tsy eken'ny ankilany izany hoe ilay vady ny firaisana ara-nofo amin'ny maha mpivady azy, na ny lahy na ny vavy no manery. Ny zaza tsy nisitraka ny nonon-dreny na naharitra tamin'ny nono dia tsy afaka mifehy ny sainy intsony ka lasa miteraka fitsiriritana noho ilay fanabeazana...
Alahady 22 nôvambra 2020 — Fankalazana an'i Kristy Mpanjaka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 25, 31-46 — Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika.
Manerantany dia 120.000.000 ny olona voan'ny aretina ongobe na bongabe, amin'ireto faritra ireto no tena ahitàna azy, afrika, asia, amerika afovoany sy atsimo. Eto Madagasikara dia ditsrika 104 no ahitana azy, ary hanaovan'ny ministera hetsika fanentanana. Ny atao hoe ongobe na bongabe dia fivontosan'ny tongotra, na ny hankasarotana na eo amin'ny nono. Kankana mitombo sy manentsina ny lalan-drà no mahatonga ny fivontosana ary mifindra amin'ny alalan'ny kaikitry ny moka...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco