Efa mahasarika mpanjifa avy any ivelany ny Foara Iraisam-pirenena hoan’ny toekarena eny ambanivohitra eto Madagasikara na ny FIER MADA. Mpanjifa avy atsy Afrika Atsimo, any Belgique ary atsy amin’ny nosy La Reunion no efa nilaza fa ho avy hividy ny vokatry ny tantsaha. Nivoitra izany nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny FIER MADA andiany faha 27 amin’ity taona ity. Hetsika ara-toekarena tanterahana eny amin’ny kianjan’i Makis Andohatapenaka ao Antananarivo Renivohitra nanomboka ny alarobia 06 Aogositra hatramin’ny alahady 09 Aogositra izao...
• Mety hisy ny fifanarahana politika, aorian'ny fihainoan'ny Filohan'ny Fanavaozana ireo ankolafin-kery politika ankehitirny... • Hiantraika amin'ny fiharian'ny sehatra tsy miankina ny hampakaran'ny Banky Foibe ny tahan-jana-bola fototra, hoy ny mpahay toe-karena iray eo anivon'ny CREM... • Nahazo Filohan'ny Delegasiona Manokana hitantana azy ny Kaominina Ambanivohitra Antsirabe. Ansian'ny fanambin'ny PDS ny momba ny karaman'ny mpiasa tsy voaloa nandritra ny volana maro...
• Manana solontena mandray anjara amin'ny fihaonana voalohany karakarain'ny Fiombonamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara na ny SCEAM tanterahina any Ethiopie isika Malagasy. Fihaonana ho fanomanana ny Fihaonamben'ny Eglizy 2028... • Nisy ireo olona naiditra am-ponja tamin'ny fifaninanana handraisana ho mpianatra mpitsara andiany 2024. Nisy ny fiparitahan'ny laza adina araka ny fanadihadiana natao... • Hatao any Mahajanga ny 10 hatramin'ny 16 aogositra 2026 ny lalaom-pirenena ara-panatanjahantena an-tsekoly na ny JNSS amin'ity taona 2026 ity. Maherin'ny 2.000 ireo handray anjara...
• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...
• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco