Ny 16 ka hatramin’ny 04 avril 2020 no ho tanterahina any Turin-Valdocco ny “Chapitre générale faha-28” (CG28) ho an’ny Fikambanana salezianina. Hafatra roa lehibe no ampitain’izao fivoriam-be izao : ny fiverenana any Valdocco, trano foiben’ny salezianina, taorian’ny 62 taona lasa, ka ny CG18 no natao farany tany, ary ny fivoriam-be handinihina ny hoe “salezianina toy inona no ilain’ny tanora ankehitriny?”
Ho raisin’ny ao ROME ny fanamarihana ny fahefa-taonan’ilay fihaonana manan-tantara tany CUBA teo amin’i Papa François sy ny Patriarka KIRILL, lehiben’ny fiangonana orthodoxe rosiana.
Nampahafantarina tamin’ny 3 janoary lasa teo ny hafatr’i Papa François momba ny fankalazana ny andro erantany ho an’ny marary, andiany faha-28, marihina isaky ny 11 febroary.
Namerina ny fanasana an’i Papa François hamangy an’i CROATIE ny lehiben’ny governemanta croate Andrej PLENKOVIC.
• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco