Ao anatin'ny fankamasinana dia misy dingana telo : ny fiangavian'ny mpitarika ny fidinan'ny Fanahy Masina hanamasina, fanamasinana ny mofo sy divay ho lasa vatana sy ran'i Kristy ary ny fanandratana. Rehefa vita ny Masina izay fihobiana an'Andriamanitra tompon'ny hery sy ny fahamasinana rehetra dia tohizin'ny pretra mpitarika ny vavaka miainga amin'iny tonom-bavaka "Masina" iny... Katesizy momba ny litorjia (Ny Masina), iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Nahavelom-belo ny mpiantsehatra amin’ny lalam-pihariana ronono iny taona 2025 lasa iny. Nivoatra hatrany mantsy ny tontolon’ny lalam-pihariana ronono eto amintsika hoy ny filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Malagasy Dairy Board na ny MDB.
• Misy fampiasam-bola hikononkononana fanasoketana mpitondra eto amintsika, hoy ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon'ny Fitsarana Ambony Antananarivo, androany... • Misy amin'ireo mpiasan'ny fahasalamana no efa mivonona ara-tsaina, hiatrika ny ady amin'ny valan'aretina MPOX. Nilaza ny tsy handray an-tanana ireo voan'io aretina io kosa ny fiombonan'ireo "Internes" eto Madagasikara... • Hivaha tsy ho ela ny famatsiana rano fisotro madio ho an'Antananarivo, hoy ny Minisitry ny Rano androany. Novatsiana milina mpamokatra herinaratra fiandry, ireo fitaovan'ny Jirama manosika rano, amin'ny toerana miisa 14...
• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco