Nandritra ny volana novambra lasa teo dia niompana tamin’ny fankalazana ny famaranana ny taom-pikatrohana 2019 ny ankohonam-piainana aty Guatemala, eny amin’ny sampan’asa rehetra hiandraiketany.
Vahinin'i Papa François tao VAtican, omaly alatsinainy, ny praiminisitra slovaque Peter Pellegrini. Isan'ny nivoitra tamin'io fihaonana io ny fanasan'andriamatoa Pellegrini an'i Papa hivahiny any Slovaquie.
Nitsidika ilay fampirantiana momba ny Tranonomby, tanterahina tsy lavitra an'i Vatican, i Papa François, ny tolakandron'ny alatsinainy teo.
Notendren'i Papa François ho préfet-n'ny kongregasiona misahana ny fanelezana ny Vaovao Mahafaly, ny alahady 8 desambra teo, ny Kardinaly Luis Antonio Tagle.
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco