4 ôktôbra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy, ka tariho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 57-62)
♦ Nirefotra indray ny baomba mandatsa-dranomaso teny Anosy androany tolakandro, nanaparitahana ny vondron'ny kandidà 11 sy ny mpiara-dia aminy. Tsy hijanona ny tolona, hoy izy ireo, fa mitohy hatrany... ♦ Namaly bontana ny fanakianana sy ny fitakiana ataon'ny vondron'ny kandidà 11, ny kandidà laharana faha-3. Tsy ny mpanohitra, hoy Andriamatoa Andry Rajoelina, no hanala ny fitiavan-tanindrazana sy ny maha malagasy azy, nanoloana ny mpiara-dia aminy teny Ivandry... ♦ Miantso ny fampitsaharana ny fifampihantsiana sy ny fifandranitana miteraka korontana ny FFKM, tamin'ny fanambarana nataony androany...
Ny singa fototra ilain'ny soa iombonana dia ny fanajana sy ny fampahalalana ny zo fototra maha-olona. Miteraka zo sy adidy mikasika ny taranak'olombelona tontolo ny soa iombonana. Isaky ny fitambaran'olona dia tsy maintsy mitsimbina ny zavatra ilaina sy ny faniriana ara-drariny eo amin'ny fitambaran'ny olona hafa. Ambony noho ny zavatra ny maha-olona izay miorina amin'ny fanajana ny zo. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
♦ Tontosa ny alahady 1 ôktôbra 2023 ny fametrahana araka ny fomban’ny Eglizy an’i Mgr Gustavo Bombini Espino, Arsevekan’ny Toliara… ♦ Niatrika ny famaranana ny Sinaody Diôsezanina andiany faha-2, ny 21 ka hatramin’ny 24 septambra 2023 ny Diosezin’i Moramanga… ♦ Ilaina ny fahatsoram-po sy ny fahamarinan’ny tsirairay, hoy ny fampianaran’i Papa François tamin’ny Angélus nataony omaly…
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco