♦ Feno 5 taona katroka andraony ny nahafatesan'ny Profesora Zafy Albert. Manohy ny tolona nataony ireo mpanara-dia azy, ary nilaza fa mifanaraka amin'ny foto-kevitra nimatimatesany ny fanaovana fikaonandoham-pirenena... ♦ Herinandro androany no nikatsoan'ny raharaha eny anivon'ny fitsarana manerana ny nosy, vokatry ny fitokonan'ireo mpiraki-draharaha. Ahiana mbola hitohy amin'ny herinandro indray izany, manoloana ny tsy fisian'ny fandraisana andraikitra, hoy ny sendika...
Zava-dehibe no hahafantarantsika fa ao amintsika : Andriamanitra Ray, zanaka, ary Fanahy Masina. Andriamanitra Ray : amin'ny alalan'ny saina izay misy ny fahefana anaty. Ny zanaka ao amin'ny fo izay misy ny aina, izy mantsy no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misaraka amin'izy ireo ny Fanahy Masina araka izay voalaza hoe "tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra ny tenanareo". Fandaharana "mba ho vanona".
Tsara ny fananana dokotera na mpitsabo matihanina na ho an'ny olona tsirairay na ho an'ny fianakaviana. Misy tombontsoa azo tsapain-tanana ny fananana mpitsabo mahazatra satria io no efa mahalala ny fivoaran'ny fahasalamana manontolo. Haingana kokoa ny famaritana ny aretina mahazo ny olona iray, mihamora ny fanomezana fanafody ireo marary satria efa hain'ilay mpitsabo matihanina io ny fanafody tsy zakan'ny taovan'ilay marary. Ny sara-pizahana dia tsy voatery ho fandaniana betsaka satria efa voafehy ny fotoana sy ny soritr'aretina mpahazo matetika ny fianakaviana na ny olona tsirairay manana mpitsabo matihanina mahazatra...
Alarobia 12 ôktôbra 2022 — Jan Beyzym, Olontsambatra — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 40-45
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco