Tanan-dehibe maro mponina indrindra ny eto Antananarivo renivohitra, ary tsy afa-miala amin'ny vokatry ny fiovan'ny toetrandro fa mila miatrika na mitady fomba fanalefahana ny voka-dratsiny. Ndeha isika hanova fomba fiainana hiarovana ny tranobe iombonana. Kajio ny tontolo iainana, rehefa tsy mandoto isika dia efa isan'ireo miaro ny tontolo iainana ihany. Ny vahaolana amin'ny fiovan'ny toetrandro dia miantomboka amin'ny fandraisan'andraikitry ny tsirairay noho izany dia samia isika manao ezaka toy ny : fambolen-kazo sy ny fanajana ny fahadiovana...
Ny Fitiavana marina : fitiavana an'Andriamanitra sy ny fahatahorana Azy, ary koa, fitiavana ny hafa tahaka ny tena. Ity farany ity no fampiharana hita maso sy ren'ny fandrenesana ny fitiavana an'Andriamanitra izay tsy hita maso. Ny fitiavana dia natao ho an'ny olombelona tsy misy fanavahana : havana, namana, olona lavitra, ireo olona mpankahala antsika. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
♦ Milaza ho tsy matahotra ny fitorian'ny GEL ny Transparency International eto amintsika, momba ilay raharaha fisiana kolikoly amin'ny fanondranana letchis. Efa nisy fanadihadiana 3 taona natao, talohan'ny namoahana iny fanairana iny, hoy Ramatoa Ketakandriana Rafitoson... ♦ Miakatra ny tahan'ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida eto Madagasikara. Mbola lavitra ezaka ny handresentsika ity aretina ity amin'ny 2030... ♦ Nitory ny fitondrana Malagasy sy ireo Andrim-panjakana rehetra tamin'ity Repoblika fahefatra ity, ny fikambanana Fiverenana Andoharano...
Ny fahaizana mihaino ny hafa dia isan'ireo fanalahidin'ny fahombiazan'ny fiainana ary mahatsara azy. Hampirindra ny fiainana dia mifampihainoa isika olona rehetra : ny mpivady, ny mpianaka ary ny fiaraha-monina. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco