21 febroary 2024 — Alarobia, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 29-32)
Maro ny olona no sahirana amin'ny voambolana ampiasaina eny amin'ny sehatry ny fitsarana. Talohan'ny nidiran'ny frantsay teto Madagasikara dia nazava sy mora noraisina ny didy navoakan'ny fitsarana malagasy, izay mifanaraka amin'ny rafi-pisainana sy rafi-piaraha-monina nisy. Nandritra ny fanjanahan-tany dia ny teny frantsay no teny nampiasaina tamin'ny tontolon'ny fitsarana, ary niova araka izany ihany koa ny firafitry ny didy ; vokany nihasarotra ny fahazoana ny teny voarakitra amin'ny didy isan-karazany. Ny fahasarotan'ny voambolana ao anatin'ny didy sy eo amin'ny sehatry ny fitsarana dia mba hiazomana ny fahefany araka ilay voalaza hoe "teny baiko"...
Misy voka-dratsy miantraika amin'ny vatana ny fandraisana zava-mahadomelina : miharatsy ny torimaso, aretin'andoho, miadana ny fofonaina, maloiloy sy te handoa, mora tezitra kely , mahatsapa mavesatra eo amin'ny sandry sy ny tongotra, mangidihidy ny vatana na mahatsapa mafana ny hoditra. Rehefa midoroka loa ny rôrô dia mety hisy fiantraikany ratsy amin'ny vatana sy ny saina... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
♦ Tontosa ny 15 hatramin'ny 17 febroary 2024, ny Symposium mifantoka amin'ny hoe ny vavaka manokana sy ny vavaka iombonana, tao amin'ny Grand Séminaire tao Moramanga... ♦ Nosokafana ny alahady 18 febroary 2024, ny fankalazana ny faha-150 taonan'ny EKAR Masindahy Louis de Gonzague, Ankadisoa. Nifanentana ho amin'ny fiatrehana izany avokoa ny kristianina rehetra tao an-toerana... ♦ Nandritra ny vavaka Angélus, ny alahady voalohany amin'ny Karemy, no nampitandreman'ny Papa François ny mpino rehetra, ny amin'ireo bibidian'ny fanahy...
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco