• Niompana tamin'ny fanabeazana sy ny fanandratana Olomasina ny votoatin'ny fihaonan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tamin'ny iraka natony tany amin'ny Fiketrahana Masina... • Ao anatin'ny fahalemena no tokony handinihana ilay hery mahagaga nananan'i Jesoa Kristy, hoy ny Ray masina tamin'ny fampianarany, nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo... • Hankalazaina ao Roma ny 15 hatramin'ny 18 febroary 2025 ny Jobilin'ny mpanakanto, izay mitondra ny lohahevitra hoe: “Mamelona fanantenana ny zava-kanto”...
Nahazoana vokatra miabo ny tetik'asa SANBONAI, niompana tamin'ny fiantohana ara-tsakafo sy fanjariantakafo tao amin'ny Faritra Bongolava, Analamanga ary Itasy. Tetik'asa nandritra ny telo taona mahery, notanterahan'ny AFDI, Fikambanan'ny tantsaha Frantsay sy ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena, ny ANAE, Fikambanam-pirenena misehatra amin'ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny Réseau SOA, Tambazotran'ny Sendikan'ny Orina Ambanivohitra...
Ny fampitàna ny Soatoavina dia loharanon'ny Fanantenana amin'ny fanatsarana ny fiainana. Ny fampitàna ny soatoavina dia mitana anjara toerana lehibe amin'ny fananganana tontolo tsaratsara kokoa, satria mamela ny fitsipi-pitondran-tena hampitaina amin'ny taranaka mifandimby. Soatoavina : firaisan-kina, fifnajàna, fihavanana... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.
Nampianatra antsika hivavaka i Jesoa rahefa nivavaka Izy. Nanomboka tamin'ny toriteny teo an-tendrombohitra, nanantitrantitra ny amin'ny fibebahan'ny fo i Jesoa, isan'ireny ny fitiavana ny fahavalo sy ny vavaka ho an'ny mpanenjika. Mampianatra antsika ny fahasahian-janaka i Jesoa, tahaka ny nivavahany tamin'Andriamanitra Ray... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco