♦ Tsy maintsy miezaka ho tonga fitiavana isika. Io no hafatra nasongadin’ny Arsevekan’Antananarivo tamin’ireo toetra nasehon’i Mompera Alain Thierry Raharison fahavelony... ♦ Faly amin’ny fanantenana. io no anentanan’ny Papa François ny tanora, amin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny tanora amin’ny 26 novambra 2023, fetin’i Kristy Mpanjaka... ♦ Manohitra tanteraka ny fanafihana mahatsiravina nataon’ny Hamas tamin’ny 7 ôktôbra ny ao amin’ny Fiketrahana Masina...
Namolavola mari-pamantarana Label Soa Far ho an'ireo Foibem-panofanana mivondrona ao aminy ny tambazotra FARMADA. Miisa 13 ny ivon-toerana efa nisitraka izany. Nitondra anjara biriky lehibe amin'ny fanatsaràna ny kalitaom-pampiofanana atolotra ny tanora sy ny tantsaha hanabe voa ny famokarana ara-pambolena sy ny eny ambanivohitra teto amintsika ny Tambazotra FARMADA. Marika entina manavaka ny ivon-toeram-panofanana, izay mitondra fanatsaràna sy manavao ny rafitra ao aminy ny Label Soa Far...
Tokony fantarina ny holafitra eo amin'ny asa fitsaboana sy ny tombontsoa azo ao aminy, eo amin'ny lafiny fahasalamam-bahoaka. Maro ny olana tsy mampilamina ny asa fitsaboana sy ny fahasalamam-bahoaka ankehitriny. Izany no antony hiresahana androany ny dikan'ny holafitra sy ny andraikiny mikasika izany rehetra izany. Sarobidy ny fahasalamana ka aoka mba eny amin'ny tobim-pahasalamana sy ireo nianatra manokana momba ny fitsaboana no hatonina rehefa misy tranga tsy fahasalamana...
Manoro ireo singa efatra hampijoro ny fiainana ara-politika tena mendrika ny maha-olona ny konsily manao hoe : zava-dehibe mihitsy ny mampivelatra ny hevitra lalina raketin'ny fahamarinana ny hatsara-po, ny fahafoizan-tena hanompo ny soa iombonana, ary ny manamafy ny foto-kevitra ijoroan'ny fiainam-bahoaka sy ny zava-kendrena. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco