♦ Manatanteraka fiofanana ireo katesista ao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé, ka ao amin'ny "Centre d'accueil" Mandritsara no hanatanterahana izany... ♦ Notontosaina nanomboka ny faha-9 ary hifarana ny alatsinainy 13 aogositra 2023, ny Filankevitra Nasiônaly, tanterahan'ny Vovonam-pirenena Katôlika'ny Lehibe, eny amin'ny Akany Mariazy Mirindra Ambohipo... ♦ Hotontosaina ny alahady 13 aogositra 2023, ny fandraisana an'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona eto ami'ny Diôsezin'Antananarivo sy ny Distrikan'i Namehana, toerana izay nahabe azy...
Mbola mahatazona ny vokatra tsara kalitao, haitao nolovaina avy amin'ireo ray aman-dreny tany aloha, amin'ny asa tanana vita amin'ny landy ny kaoperativa "Landy Avotra" ao Kelifaritra, Kaominina Ambanivohitra Ambohitrabiby, Distrikan'Antananarivo-Avaradrano.
Ny ranomasina da famantarana ny ratsy, anefa tamin'io tontolo io ny mpianatr'i Jesoa no nantsoiny ho mpanarato olona. Ny asan'ny mpanarato dia asa mila finiavana satria manasatra ary mitaky faharetana ihany koa, izany hoe ilàna herin-tsaina sy herim-po. Ny hevitry ny manarato eto dia manala ny olombelona eo amin'ny haizin'izao tontolo izao ho any amin'ny fahazavana lehibe. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Hamoaka ireo gadra pôlitika rehetra any am-ponja ny Rodoben'ny Mpanohitra, raha mahazo fitondrana aorian'ny fifidianana... ♦ Hanome tohana ara-bola mitentina 9 hetsy Dôlara, mba hisian'ny fifidianana madio, mangarahara ary eken'ny rehetra amin'ity taona ity, ny Governemanta Amerikana... ♦ Samy tsy hanaiky ny hanaovana ho tantely afa-drakotra ny CNaPS ireo mpiasa sy ny Tale Jeneraly vaovao...
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco