Mariky ny fanantenana ny fanoharana momba ny Samaritana tsara fanahy. Manampy antsika izy hahazo ahoana ny tsy maintsy fitondrantenantsika manoloana ny olona miaina miaraka amin'ny VIH/SIDA. Tsy azontsika atao ny manilika na ny mampizaka azy ireo fitondrana tsy araka ny maha-olombelona na ny fanilihana. Tsy maintsy mikarakara azy ireo isika. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagasikara sy ny Radio Don Bosco.
♦ Mifarana ny 31 janoary 2023 ny fisoratana anarana eto Madagasikara ho an'ireo handray anjara amin'ny JMJ Lisbonne 2023... ♦ Nodimandry teo amin'ny fahadimy taona naha pretra azy i P. Francisco Andrianjaka, Pretran'ny Diosezin'Antsiranana... ♦ Nitsodrano ireo sariolona maneho an'i Jesoa Zazakely nentin'ireo ankizy teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Piera, ny Papa François omaly...
Ny 08 desambra no andro natokan'ny Eglizy katôlika hankalazana ny fetin'i Masina Maria tsy azon-keloka, indrindra isika eto Madagasikara satria izay no mpiaro voalohany ity nosy ity. Tamin'ny taona 420-430 no nisian'ny fahatairana sy alahelo lehibe nisy teo amin'ny kristiana tany Efezy satria nisy ny filazana nataon'ireo nosterius fa tsy azo antsoina hoe "renin'Andriamanitra" i Masina Maria. Ny 11 ôctôbra no fankalazana ny fety maha renin'Andriamanitra an'i Masina Maria. Izy no reny fankatahaka ho an'ny reny rehetra ary itokian'ny olona maro...
Alahady 11 desambra 2022 — Alahady fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 2-11
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco