Alahady 28 novambra 2021 — Alahady voalohan'ny amin'ny Fiavian'ny Tompo — Asehoy anay, ry Tompo ny famindram-ponao! ary omeo anay ny famonjena avy aminao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 25-28. 34-36
Vavaka sy fomba entin'ny kristianina miara-mankalaza an'Andriamanitra ny litorjia. Mba hampirindra ny fankalazana litorjika, dia naorin'ny Eglizy ny vaomiera litorjika ahitana ireo solo-tena avy amin'ny hery velona misy eo amin'ny paroasy.
♦ Hikatsahana sori-dalana pastôraly iombonana, sahaza ny vanim-potoana ankehitriny nefa manaraka ny sitrapon'Andriamanitra ny Sinaodin'ny Eveka 2021-2023... ♦ 18 taona nitoriana ny Vaovao Mahafaly sy nanabeazana ny Radio Fanasina Morondava... ♦ Tanterahana any Verona Italia ny 25 hatramin'ny 28 novambra 2021 ny hetsika momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy momba ny fiaraha-monina...
Isan'ireo sakafo mahavelona sy ara-pahasalamana ahitàna otrikaina sy mineraly betsaka araka ny voka-pikarohana natao ny "anantsinahy, anapatsa, anamamy-dia, ny angivy" sy ny sisa, sokajiana ho legioma-dia na legioma nentim-paharazana. Ahiana ho lany tamingana anefa izy ireny. Notrandrahana sy nomena lanja manokana ny fambolena azy ireny tamin'ny alalan'ilay tetik'asa DARWIN Initiative, tetik'asa mandritra ny telo taona hifarana amin'ny volana marsa 2022.
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco