"Ianareo no mpanorina ny ho avinareo ao anaty fahasahiana" hoy ny Papa tamin'ny tanora. Ny tanora sahy dia afaka manilika ny fisalasalàna, ny ahiahy, sy ny tahotra, ary miara-miasa amin'ny mpanabe sy ny tanora namany. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
♦ Mijoro ankehitriny ny Fondation Céline et Didier Ratsiraka. Hetsika mifanandrify amin'ny tsingerin-taona nahaterahan'ity Filoham-pirenena teo aloha ity, androany 4 novambra... ♦ Mitaraina ny Sendikan'ny Indostria eto Madagasikara amin'ny fantiantok'ireo orinasa malagasy mpamokatra savony. Miombon-kevitra amin'ny fampakarana ho 20% ny haba alaina amin'ny fanafarana bolabolan-tsavony izy ireo, araka ny voalazan'ny volavolan-dalana mifehy ny teti-bolam-panjakana 2021...
Mila mizara fihetse-po amin'ny hafa isika mba tsy hisian'ny fiatsarambelatsihy. Aza mihevitra hanova olona fa ianao aloha no manao ezaka hiova ho tsara kokoa. Amin'ny alalan'ny saina no ahafahana mampita hevitra, betsaka amintsika anefa no tsy milaza ampahatsorana ny ao an-tsaina. Antony maro no tsy hananana toe-tsaina mangarahara : tahotra, tsy fahatokisan-tena sy ny olona hafa, tsy fifankahazoana, te hisongadina, rivo-panabeazana sy kolotsaina...
Alarobia 3 novambra 2021 — Herinandro faha iraika amby telopolo mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evankely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 14, 25-33
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco