Nofidian'Andriamanitra manokana ny vehivavy hitondra famonjena an'izao tontolo izao. Eo amin'ny Jody, tsy dia nomena anjara loatra ny vehivavy. Ny an'i Masina Maria, iraka goavana, toy nataon'i Abrahama. Maria nanolotra ny zanany ho an'izao tontolo izao. Manana anjara toerana ao amin'ny fiangonana hitory ny Vaovao Mahavaly ny vehivavy. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien
♦ Toe-po telo no takian'izao fankalazana izao, hoy i Mgr Jean Pascal, omaly nandritra ny fankalazana ny taon-jobily faha-160 taona nitoriana ny finoana an-kalalahana teto Iarivo... ♦ Efa an-dalana ankehitriny, ny fanadihadiana ny hanandratana ho olomasina an-dRamose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny kristianina ny Papa, nandritra ny vavaky ny Angelus omaly, mba tsy hihevi-tena ho sangany...
Ny 21 septambra no fanamarihana ny andro eran-tany ho an'ny aretina alzheimer. Tamin'ny taona 1906 no nahitan'i Dr Aloïs Alzheimer, ity aretina ity ary nampitondrainy ny anarany. Ny Aretina alzheimer dia vokatry ny fahasimban'ny sela ao amin'ny faritra maromaro ao amin'ny atidoha ary misy akony amin'ny fiasany. Ny salan-taonan'ny olona mety ho tratry ny aretina dia eo ho eo amin'ny 65 taona eo.
♦ Fanamasinana ho pretra sy ho diakra, fankalazana ny taom-bolafotsin'ny FFVA, ary fitsofan-drano ireo mpitarika APV : ireo no hanamarika ny ivon'ny fankalazana ny faha-160 taona nitoriana an-kalalahana ny finoana teto Iarivo, amin'ny alahady 26 septambra izao... ♦ Nomarihana tamin'ny faran'ny herinandro teo ny fetin'ny Lakroa Masina, mpiaro ny Aumônerie Catholique Militaire ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina... ♦ Namoaka ny laharana voalohany amin'ny tahirin-kevitra siantifika "Ilon-tsaina" ny Ivon-teorana Arrupe eny Faravohitra, eo ambany fiahian'ny Fikambanan'i Jesoa...
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco