♦ Natomboka androany ny andian-taona manaraka afaka misitraka ny vakisinin'ny Covid-19 eto amin'ny Faritra Analamanga, dia ireo zokiolona maherin'ny 60 taona... ♦ Ny 94,66%-n'ireo olona mararin'ny Covid-19 no efa sitrana teto Madagasikara. Ny 1,73% kosa no namoy ny ainy, araka ny antontan'isa nivoaka androany...
Alahady 16 mey 2021 — Alahady fahafito fankalazana ny Paka — Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 11b-19
Aretina mbola misy eto Madagasikara ny tazomoka ary mbola mamono olona maro manerana izao tontolo izao. Ny tazomoka dia aretina afindran'ny kaikitry ny moka amin'ny olombelona. Ilay moka antsoina hoe "anophèle" no mamindra azy. Miteraka fanaviana ny tazomoka, nefa tsy misy hanavahana io fanaviana io amin'ny aretina hafa, noho izany ny fanaovana fitiliana ihany no ahafantarana na voan'ny tazomoka na tsia ny olona iray.
♦ Hitady ny fomba handravana ny didim-pitsarana nivoaka momba ny raharaha andramena tany Singapour sy ilay fandoavana onitra amin'ny orinasa vahiny Polo Garment, potika tamin'ny taona 2009 ny fitondrana malagasy, hoy ny Minisitry ny Fitsarana androany... ♦ Mbola hisy fanadihadiana atao momba ny nahatrarantsika ny Pic na tsia, hoy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Nambarany fa mbola anatin'ny ady amin'ny Coronavirus isika, na efa midina aza ireo tranga vaovao...
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco