♦ Tafapetraka eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano azy, i Mgr Clément Herizo Rakotohasimbola... ♦ Torio ao anaty fiombonana sy fahononan-tena amin'ny fiainana ny Evanjely, io no fampianarana nentin'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly... ♦ Notendren'ny Papa François hisolo tena azy mandritra ireo lanonam-pamaranana ny fivahinianana masina ataon'ny mpino katôlika Okreniana manaraka ny fomba latina, amin'ny 21 jolay 2024, ny Sekreteram-panjakana, ny Kardinaly Pietro Parolin...
Ao an-tokantrano no fanabeazana ny tsirairay mba hiaina ny fahatahorana an'Andriamanitra. Tandindon'ny firenena iray manontolo ny fianakaviana tsirairay. Zava-dehibe ny fiainam- panambadiana satria hanabeazana ny ankizy sy ny tanora ho fampandrosoana. Misy ny atao hoe "Tribunal ecclésiastique" raha misy olana ara-panambadiana ny olona roa. Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady faha-15 mandavantaona : Nofidin'Andriamanitra isika mba ho irahiny ; Ataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Misy roa ny tanjona amin'ny fiantsoan'Andriamanitra, izay mifampikina : hitoetra eo aminy, hitory sy handroaka demony. Raha tsy malala an'i Jesoa sy tsy manana fiombonana aminy dia tsy ho afaka ny hampalala Azy sy ho lasa iraka ; Mifampitohy ny fiantsoana sy ny fanirahana ary tsy mety ho iraka raha tsy babon'ny fitiavan'i Jesoa...
14 jolay 2024 — Alahady Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Ataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 7-13)
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco