♦ Fanamby lehibe ho an'ny Diôsezin'i Moramanga ny fanatonana ny vahoaka amin'ny fanatanterahana ny Sinaody... ♦ Notsofin-drano tamin'ny sabotsy 21 mey 2022 ny "podium" ao Soavimbahoaka, ho fahatsiarovana an'i Fr. Raphaël-Louis Rafiringa... ♦ Marihana ny 22 hatramin'ny 29 mey 2022 ny fahafito taonan'ny Ansiklika "Laudato Si'", nosoratan'ny Papa François...
Alahady 22 mey 2022 — Alahady fahenina fankalazana ny Paka — Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 23-29
♦ Lalana sy fitaovana entin'ny pretra manamasin-tena ny fiofanana maharitra, io no nivoitra tamin'ny fihaonan'ireo tompon'andraikitry ny fanofanana maharitra ny pretra, teny Ambatoroka ny 18 sy 19 mey 2022... ♦ Nomarihana ny 18 mey 2022 ny fankalazana ny faha-42 taonan'ny Sekoly Venance Manifatra (SEVEMA), ao amin'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Nivahiny nandritra ny telo andro tany Ukraine i Mgr Paul Gallagher, Sekreteram-panjakana misahana ny fifandraisana amin'ny firenen-kafa ao amin'ny Fiketrahana Masina...
Tsy tratra ny tanjona napetraka tamin'ilay drafi-pirenena ho fampandrosoana ny fambolem-bary na ny SNDR, tamin'ny taona 2016-2020. Tsy mihoatra ny 4% isan-taona ny tahan'ny famokarana eto amintsika, izay tsy mifanalavitra amin'ny tahan'ny fitombon'ny mponina, hoy ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Ramilison Harifidy.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco