Mandrava ny voly, seha-piveloman'ny tantsaha ny bibikely mpanimba voly tato ho ato. Velon-taraina ny mpamboly any ambanivohitra manoloana izany. Hirika iray ahafahana miady amin'izany no entin'i Papa Bio, na Ranaivoarison Basile.
Miaina andram-piainana fihetseham-po miovaova sy mahery vaika ny zatovo. Zava-dehibe ny fahaizana mitantana ny fihetseham-po. Mety hitarika fahavoazana ny tsy fahaizana mitantana azy, ary manampy amin'ny lafim-piainana maro ny fifehezana azy. Ahafahana manana fomba fijery miabo sy mandray fanapahan-kevitra tsara ny fahaizana mitantana ny fihetseham-po...
Tsy "idéologie" no ampianarin'ny Eglizy na tsikera tsy mitombona fa fanajana ny finoan'ny tsirairay ary izay tsy hapotika ny firenena, izany hoe mikatsaka ny fampandrosoana hatrany. Ny pôlitika amin'ny Egizy dia tsy fitsetsefana mivantana na ankolaka ny olona ohatra hoe ampahafolon-karena. Ny Eglizy dia manao ny andraikiny amin'ny fanabeazana indrindra ny ara-moraly. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Nomontsanin'i Centrafrique, ny Barean'i Madagasikara androany tolakandro. Resin'ny Fauves Centrafricaines tamin'ny isa 3-0, ny ekipantsika nandritra andro faha-3 amin'ny fifanintsanana CAN 2023... ♦ Nanao fanambarana teny Ambohimanambola androany, ireo Solombavam-bahoaka mpanohitra, namaly ilay fanapahana navoakan'ny HCC, momba ilay fitsipaham-pitokisana ny Governemanta. Milaza ho tsy matoky intsony ity Andrim-panjakana ity izy ireo, manoloana ny fiatrehana ny fifidianana... ♦ Olona telo sahady no voasambotra, noho ny hosoka nataon'izy ireo fa mahavita Passeport, tao aorian'ny fiverenan'ny fanavaozana Passeport eo anivon'ny Polisim-pirenena omaly...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco