♦ Mifantoka amin'ny zava-misy iainan'ny firenena, ny hafatra avy amin'ny Justice et Paix, izay nanatanteraka ny Fihaonambe, ny 18 hatramin'ny 21 aprily 2023... ♦ Nanatanteraka Zaikabe sady nanokatra tamin'ny fomba ôfisialy ny fankalazana ny faha-90 taona niorenany, ny MDMK-CVX ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina... ♦ Fianakaviambe Fransiskana, tia sy manaja ny Tranobe iombonana, io no lohahevitra nifampizarana nandritra ny fanamarihana ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tany, ny Rano ary ny Ala, teny amin'ny trano fivarotam-boky Masindahy Paoly Analakely, ny sabotsy teo...
Ny boky no mirakitra an-tsoratra ny fomba amam-panao sy ny kolontsaina ary ny fitsipi-pitondratena. Isan'ny boky tranainy indrindra ny "vedas" izay boky ampiasain'ny Indo, ary saika avy amin'io boky io no loharano nipoiran'ny tantara masina maro resahina amin'ny finoana maro samihafa. Ny "baiboly" ihany koa dia voasokajy ho isan'ireo boky tranainy. Ny "Baiboly" no boky maro mpividy indrindra araka ny fanadihadiana. Mifamatotra ny finoana kristiana sy ny boky.
23 aprily 2023 — Alahady fahatelo fankalazana ny Paka — Taona A — Voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo; Ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 13-35)
Mikaroka, mamokatra ary manofana ny tantsaha amin'ny famokarana zezika kankana i Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Zezika biôlôjika iareharehany tokoa ny voka-tsoa azo avy aminy. Miavaka amin'ny famokarana zezika ataon'ny mpamokatra hafa ny teknika ampiasainy...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco