♦ Nomarihina nanomboka ny 26 aogositra 2021 ny fankalazana ny faha-80 taona naha "Vicariat apostolique" an'i Miarinairvo... ♦ Ny pretra fransiskanina no hitantana ny sanctuaire mitondra ny anaran'ny Olontsambatra Lucien Botovasoa, ao Farafangana... ♦ Mifandraika ny lalana sy ny fahafahana, hoy ny Papa François, tamin'ny katesizy nandirtra ny "Audience générale", ny alarobia 25 aogositra 2021...
Ketsa saraka, nahatratra 15 taonina mahery ny vokabarin'i Jeneraly Rabemanantsoa Robert tamin'ny fampiasàna azy. Manamboninahitra ambony misotro ronono nanana andraikitra ambony tao amin'ny tafika malagasy tamin'ny fotoan'andro. Liana amin'ny voly vary.
Vokatry ny fifampizarana eo amin'ny mpitantara : manazava kokoa ny tena mahaizy azy izy. Mitaky ny fandaminana ny fiainana ny fanomanana an'io ffifampizarana io, noho izany dia voatery manao jery todika ny fiainany izay mitantara. Katesizy momba ny fifampizarana andram-piainana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
♦ Hisy vidin'entana vaovao tokony hihatra eny an-tsena manomboka ny volana septambra izao. Nambara androany ohatra, fa tsy tokony hihoatra ny 6000 ka hatramin'ny 7000 Ariary ny litatra amin'ny menaka eto amintsika... ♦ Efa maherin'ny 25000 no efa vita vakisiny Astrazeneca andiany faharoa tao anatin'ny tapa-bolana. Efa maherin'ny 3000 koa no nisitraka ilay vakisiny vaovao Johnson and Johnson, ka anisan'ny nitsindrona izany ny Praiminisitra...
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco