Voaantson'Andriamanitra hanohy ny fihariana ny mpivady. Adidy masina anatin'izany ny fanabezana ireo taranaka. Araka ny soatoavina hampitain'ny fiangonana : "zaro amin'ny làlana tokony halehany ny zaza.".
Inona no lalana amin'ny antso fototra ?. Valin-teny tsy lavitra : Kristy no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Misy endrika roa atao hoe antso fototra dia : ny fanokanan-tena amin'Andriamanitra sy ny fanambadiana. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny fiaraha-monina dia mifototra amin'ny fahaiza-miaina. Amin'ny ankapobeny, nahoana no tsy voaray ny fanabeazana momba ny fampanajàna ny fitsipi-pifehezana eny anivon'ny sekoly. Ny sekoly no isan'ireo sehatra afaka manitsy ny ankizy ara-pitondrantena. Ny ankohonana dia sekoly voalohany, tompon'andraikitra voalohany amin'ny fanabeazana sy fampanajàna ny fitsipi-pifehezana...
Alarobia 19 janoary 2022 — Herinandro faharoa mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 1-6
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco