(05-02-2020) Ny loko mena amin'ny sainam-pirenena Malagasy dia manambara fitiavana.
Vokatry ny tsy fandraisana andraikitra ataon’ny olon-dehibe ny mahatonga ny tranga mahonena iainan’ny ankizy amin’izao fotoana izao. Manentana antsika ny Papa François mba hanova io tranga mampalahelo io. Tsy misy na iray aza ho very anjara amin’izany andraikitra izany : ny tsirairay amintsika, ny firenena. Tohin’ny katesizin’ny Ray masina momba ny fianakaviana miaraka amin’i P. Fenohasina Dorysse Randrianjatovo.
Na inona na inona ny fihevitry ny reny ny amin’ny nahatonga azy nitoe-jaza dia tsodranon’Andriamanitra ny zanaka. Noho izany melohin’ny Papa François ny herisetra ara-batana na ara-moraly atao amin’ny ankizy. Fanazavana ny katesizin’ny Papa François momba ny anjara toeran’ny ankizy iarahana amin’ny Père Fenohasina Dorysse Randrianjatovo.
Alarobia 05 febroary 2020 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 1-6 — Sokafy, ry Tompo ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-Janakao.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco