Ny safidy tsara dia ahitana fahafahampo ho anao, ary vokatra tsara ho an'ny manodidina. Na eo amin'ny ankohonana misy anao izany, na eo amin'ny fiaraha-monina, na eto amin'ny firenena ; olom-pirenena tompon'adidy ianao sy izaho koa aoka hanana heri-po hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny lanjan'ny fahaizan'ny mpanabe mandray ny valin'ny asan'ny mpianatra, nandritra ny taom-pianarana teo. Misy fihetsika sy fomba fiteny mba tsy handratra ny ankizy ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra ary ny mpanabe. Ao anatin'ny vanim-potoana handraisana ny valin'ny ezaka nataon'ny mpianatra sy ny ankizy isika amin'izao, mba afahana mandrefy ny lanjan'ny teny natao sy ny asa rehetra, nandritra ny taom-pianarana. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
17 jolay 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 25-27)
♦ Nahiditra am-ponja vonjimaika ao Mananjary ny filoha mpitarika ny BAM, Rasambozafy Cyril. Takian'ny fikambanana misy azy sy ny fikambanan'ny loholona sy ny CST teo aloha, ny famoahana azy sy ny Solombavam-bahoaka ao Vangaindrano, Mahavitara Sylvestre... ♦ Ho hita taratra ny fanovana eny amin'ny Antenimeram-pirenena eny Tsimbazaza. Lokalokan'ny kestora voalohany, Rivotiana Jean Bosco, raha nifamindra fitantanana tamin'ny kestora voalohany teo aloha izy... ♦ Bakalôrea 2024. Tsy misy hataohorana ny tambikarama. Nahitana fiakarana tamin'ity taona ity, ny vola hiatrehana ny fanadinana...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco