Anatin'ny vanim-potoana ialohan'ny fifidianana isika izao. Ny safidy no hahafahana mandray andraikitra eo amin'ny lafim-piainana rehetra, koa mahaiza mifidy dia hahazo sy hahita fahafaham-po ianao. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fahasalamana dia mifototra amin'ny : vatana, saina, fanahy. Misy tanjona fifampitsinjovana amin'ny maha-olona izay tsy mijanona ho an'ny tena irery fa ho an'ny manodidina ihany koa. Io fifampitsinjovana io no mitondra amin'ny fahasalamam-bahoaka. Ny fahasalamam-bahoaka tomombana no taratry ny fandrosoan'ny firenena. Rehefa misy ny hetsika ara-pahasalamana sy fanentanana ataon'ny Fanjakana dia tokony havitrika ny rehetra mba hitsinjovana ny fahasalaman'ny rehetra.
13 septambra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 20-26)
♦ Naneho hevitra momba ny didy navoakan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana ny sabotsy teo, ny Filohan'ny antoko Monima. Tsy mifanaraka amin'ny lalàna ny famerana ny anto-bola amin'ny firotsahana ho fidiana ho Filoham-pirenena, hoy Andriamatoa Monja Roindefo... ♦ Dinihana mandritra ny telo andro nanomboka androany eny amin'ny Antenimiera ny volavolan-dalàna momba ny angovo azo avy amin'ny akora biôlôjika ary mikajy ny tontolo iainana na ny Bio-énergie...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco