Maro ny tranga mamoafady ataon'ny sokajin'olona rehetra. Fanabeazana tsara no vahaolana ahafahan'ny tsirairay mifehy ny fakam-panahy mivoana amin'ny sitrapon'Andriamanitra eo amin'ny lafiny ara-pananahana. Fandaharana momba ny fahaiza-miaina sy mitia, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco iarahana amin'ny centre Arrupe Madagasikara.
Tsy ampy hanarahana an'Andriamanitra ny fitandremana ny didiny, fa tsy maintsy mahafoy izay rehetra hananana koa isika hahavanona izay fanarahana azy izay. Satria ny lalam-baovao no takin'ny Evanjely dia mazava ny lalana fa ny fiandahana amin'ny harena mandalo, izay tsy ahitàna fahasambarana afa-tsy eto an-tany ihany. Katesizy momba ny lalam-pahafahana, iarahana amin'i P. Randriamampandry Wagner.
♦ Nitatitra ny asa vitany tamin'ny taon-dasa ny Bianco Antananarivo. Manodidina ny 7 miliara Ariary ny fahavoazana vokatry ny kolikoly, hitan'izy ireo, ary vola 16 miliara Ariary no tsy maintsy nogiazana... ♦ Nanazava ny momba ilay fidangan'ny hetran-trano alainy, izay niteraka resabe, androany ny tompon'andraikitra eo anivon'ny Kaominina Antananarivo... ♦ Nisy pôlisy voatonotonona ho isan'ny tompon'antoka tamin'ilay raharaha nahafatesana mpiraki-draharaha sy mpanara-maso ny hetra, teny Imerinksainina...
Ny fahefana anaty dia ahitana ireto : ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana. Ny sakana anaty dia hatarafana ireto : ny fialonana, ny fanaratsiana ary ny fiandaniana. Ny safidy dia anao : na ny fahefana anaty no iainana na ny sakana anaty. Fandaharana "mba ho vanonoa" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco