Ny fitiavana no hatsaram-panahy kristiana faratampony amin'ny fampianaran'i Kristy. Voafafa daholo ireo haratsiana rehetra maha olombelona rehefa ny fitiavana no iveloman'ny fianakaviana. Ny fitiavana marina no mamelona ny fihavanana tena izy. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria...
♦ Tetikasa SRJS : Madagasika dia isan'ireo firenena miisa 16 misitraka ity tetikasa ho fiarovana ny tontolo iainana ity, azo adika ho "vahaolana iraisana, harena iombonana" nanomboka tamin'ny 2016. Toerana maromaro no hiasàny : Ampasindava distrika Ambanja sy ny distrika Soalala... ♦ Aye-aye na Bekapaky na ihany koa karapaky dia isan'ireo varika tandindomin-doza ahiana ho lany tamingana... ♦ Alliance Voahary Gasy : tompo-kevitra amin'ny fampiasana ny laharana maintso 512, ahafahana mitatitra vaovao mikasika ny tontolo iainana sy ny fandripahana ny harenam-pirenena...
Ao anatin'ny volana jona isika, izay volana feno fanamarihana sy fankalazana, isan'izany ny andro manerantany hiadiana amin'ny fampiasàna zaza tsy ampy taona. Misy fifandraisana mafonja eo amin'ny zanaka sy ny ray, indrindra amin'ny lafiny fanabeazana, ampy hampivelarana ny sain'ny ankizy izany raha voarindra. Ny hoe ray lavitry ny zanany : ireo ray tsy mifandray matetika amin'ny zanany, variana loatra amin'ny asany, tsy mandray andraikitra firy amin'ny fanabeazana,..
Alarobia 16 jona 2021 — Herinandro faharaika ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao, ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 1-6. 16-18
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco