Alahady 17 janoary 2021 — Alahady faharoa mandavantaona — Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika; ary amin’ny alalany dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 35-42
Aretina mpahazo olona maro maneran-tany ny fahenoana feo ao anaty sofina izay tsy fandre, ny 10% ny olona any Japon sy Amerika no tratrany, 70% ny ao Frantsa, ary 15% ny eto Afrika. Ny antony mahatonga azy dia mety ho tai-tsofina, tafiditry ny zavatra, misy tsimok'aretina, maniry loatra ny taolan-tsofina, voadona mafy, avy amin'ny toerana be tabataba, fahanterana, vokatry ny tsy fahazakana fanafody. Misy karazany roa ny fitrangany : Ny marary ihany no maheno, ary ny iray ny mpitsabo ihany koa mahare ilay feo...
Mikaikaiky noho ny tsy fahampian'ny rotsak'orana na ny fahataran'izany ny tantsaha amin'ny faritra maro tamin'ity taom-pambolena ity. Tsy ampy ho an'ny fanombohana ny famokarana ny rotsakorana amin'ny fiandohan'ny taom-pahavaratra tamin'ity taom-pambolena 2020 sy 2021 ity...
Sehatra voalohany ifankaherezana sy ifanohanana ny fianankaviana. Ny fankaherezana ny zanaka dia manampy azy hanorina ny maha-izy azy, hivelatra ara-tsaina sy ara-piaraha-monina ka antoka ho an'ny hoaviny. Ny fifankaherezan'ny mpivady dia mampiroborobo ny fifankatiavana sy manampy azy ireo hanatsara hatrany ny fifandraisany, ary mampivelatra ny maha-olona ny tsirairay...
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco