♦ Namoaka fanambarana milaza ny hitohizan'ny tolona efa natombony, mba hahatongavana any amin'ny fifidianana tena izy, ny vondron'ireo kandidà ho Filoham-pirenena... ♦ Lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana teny amin'ny Antenimieram-pirenena androany, ny LFI 2024... ♦ Tara adiny roa sy sasany ny fanombohan'ny fifidianana ny Biraon'ny Holafitry ny Infirmiera eto Madagasikara, ho an'Anjozorobe...
Fantaro hoe : inona no safidinao eo amin'ny fiainana. Ny safidinao no hitondra fiadanam-po, fiadanan-tsaina, fiadanam-panahy. Ny safidy no mampivelatra sy mampisondrotra ary manatsara ny fiainana ho avy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Misy ny zo fototra 10 ananan'ny zanaka, takian'ny ankizy amin'ny mpanabe, ny ray aman-dreny ary ny fiaraha-monina. Ao anatin'ny 16 andro hiadiana amin'ny herisetra mifototra amin'ny maha lahy sy maha vavy isika, nanomboka tamin'ny 25 nôvambra teo. Mpiray tsikombatomba ny olona mahita herisetra anefa tsy mitoroka. Santionany amin'ny zo ireto : Zo hanana ankohonana izay hoe ray sy reny niteraka ary ara-dalana, zo hanana anarana raha vao teraka izay hoe hanana kôpia, zo hitafy mifanaraka amin'ny toetr'andro...
29 nôvambra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 12-19)
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco