• Miady dia miady ny lalao baolina kitra eo amin'i Madagasikara sy i Soudan. Lalao manasa-dalana voalohany amin'ny CHAN 2025 tanterahana any Tanzanie... • Ilana fanapahan-kevitra politika sy fahasahiana ny fampiasana ny rafi-pitsarana Fitsarana Avo na ny HCJ, raha te hanafoana ny tsimatimanota, hoy ny Solombavam-bahoaka Fetra Rakotondrasoa... • Nanome lanja ny fanabeazana ara-tontolo iainana ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Misy ny Ivon-toerana ibeazana ara-kolontsaina mirindra amin'ny tontolo iainana na ny IIKT, natokana hanabeazana ny olom-pirenena rehetra anavahana, eo ambany fiadidiany...
Masina Maria dia famantarana manambara fanantenana azo antoka ary fanalana alahelo ny vahoaka an'Andriamanitra mivahiny ety an-tany. Ary amin'izany ny Renin'i Jesoa dia efa henimboninahitra vatana sy fanahy any an-danitra ka santatry ny Fiangonana sy ny endriny araka ny ho toetrany any amin'ny taona ho avy, dia famantarana mamirapiratra manambara fanantenana azo antoka... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Izay vao tena nifarana ny taom-pianarana 2024-2025 tao aorian’ny fivoahan’ny voka-panadinana Bakalorea. Rehefa avy niaina tebiteby, tahotra sy fitaintainana ireo tanora Malagasy dia afaka mitony sy maka bahana amin’izay, amin’ny fijerena sy ny fibanjinana ny ho avy. Tsy hihanona amin’ny fibitabitahana fotsiny hoe “Bacc en poche”. Fa aorian’ny fanadinana Bakalorea ohatran’izao mantsy no mamaritra ny ho avy arak’asan’ny tanora iray sy ny fiainana rehetra any aoriana.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco