4 septambra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 38-44)
♦ Nametraka laharana maitso, hifandraisana amin'ireo maniry ho kandidà amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina amin'ny 11 desambra, ny CENI. Maromaro amin'ny kandidà no mitaraina amin'ny fikarakarana antontan-taratasy... ♦ Nigadona tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato androany tolakandro, ny fiaramanidina Boeing 777 manao ny sidina Dubaï-Antananarivo... ♦ Nahazo rariny teny amin'ny Fitsarana, ny mpiasan'ny orinasa iray eny Anosizato nanao fitokonana nandritra ny andro maromaro. Tsy hotapahana ny karaman'ny mpiasa araka ny didim-pitsarana...
Niaina sy nandinika ny zava-boahary manodidina azy ny Ntaolo Malagasy. Ireny hita sy re, tamin'ny fiainana andavanandro ireny no nanakaran'izy ireo ny marika andro. Misy marika andro 34 isa teo amin'ny Ntaolo araka ny firaiketana hita nataon'ireo vahiny roa natao fampitahana dia izay volazan'i rév. Cousins William Edward sy mompera F. Callet. Ny famantaranandron'ny Ntaolo dia miresaka ireo hita mandritra ny andro sy ny re mandritra ny alina ; ohatra : maneno akoho tokana (3 ora maraina) mitatao vovonana (12ora atoandro)...
Ny toetra nampiavaka ny fiangonana tany am-piandohana ny vavaka. Araka ny voasoratra ao amin'ny Asan'ny Apôstôly 2,42 : Ary nazoto izy ireo tamin'ny fampianaran'ny Apostoly sy ny famonjem-pivoriana, ary tamin'ny famakiana ny mofo sy ny fivavahana rehetra. Nahitana karazan'olona tao amin'ny fiangonana : ireo mpanjono, ireo mpanana, ireo sahirana ara-pivelomana, pretra... Katesizy momba ny vavaky ny fiangonana, tany am-piandohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco