Alahady 29 marsa 2020 — Alahady fahadimy amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 11, 1-45 — Izaho no fananganana sy fiainana, hoy ny Tompo, ka tsy ho faty mandrakizay izy mino Ahy.
♦ Mbola tsy voahaja ihany nanomboka ny maraina teo ny fepetra napetraky ny fitondram-panjakana ny tokony tsy hivoahana ny trano. Mbola maro ireo mivezivezy eny an-dalambe... ♦ Misy mitaraina mafy ireo lehiben'ny fokontany fa mitangorona manoloana ny biraom-pokontany ireo zokiolona sy mpanasa lamba mitaky ny anjara volany araka ny fampanantenan'ny Filoham-pirenena...
♦ Nahazo fitaovana vaovao hiatrehana ny valan'aretina entin'ny Corona Virus ny fitondram-panjakana malagasy... ♦ Nametraka vidin'entana raikitra hampiharin'ireo mpivarotra antsinjarany tsy manana facture nividianana entana tany amin'ny mpamongady ny Ministeran'ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asa-tanana... ♦ Misedra olana ara-pihariana ireo mpisehatra amin'ny lalam-pihariana ronono manoloana ny toe-java-misy amin'izao fotoana izao...
Alarobia 25 marsa 2020 — Ny nilazana fa haka nofo ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38 — Ny Teninao, ry Tompo, no fahamarinana, ary ny lalànao no fanafahana.
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco