Maro amin'ireo tantsaha ato amin'ny Faritra Analamanga no resy lahatra amin'ny fampiasana zezika biôlôjika tsy misy taharo simika. 10 taona nirotsahana an-tsehatra sy nampitombo fahalalana amin'ny famokarana zezika kaompôsta Andriamatoa Randriamijoro Jacques Lucien ary nahita fahombiazana tamin'izany...
Olana mbola misy eto Madagasikara ny tsy fanjarian-tsakafo. Ny andro sôsialy dia hetsika fanao isan-taona izay karakarain'ny APSE "Apostolat Social et Écologique", avy amin'ny fikambanan'i Jesoa ; amin'ity taona 2024 ity dia amin'ny 16-17-18 mey no hanatontosana izany, hetsika hiresahana ny tsy-fanjarian-tsakafo. Ny fanjarian-tsakafo : fahafahana misitraka sakafo, fahefa-mividy, fahafahana mampiasa sy mihinana sakafo. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Zava-Masina sy ambony ny mariazy. Ny mariazy dia sakramenta raisina vokatry ny safidy, izay ilàna fiomanana amin'io iraka io, dia ny ho vavolombelon'ny fitiavana sy hanohy ny asa-pahariana. Ny mariazy dia tandindon'ny fifankatiavana mandra-maty, fankatoavana ny andraikitra feno amin'ny maha ray sy reny, taratry ny fahaleovan-tena ihany koa. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
♦ Nahazo Eveka vaovao ny Diôsezin'i Maintirano. Notendren'ny Papa François ho Eveka any an-toerana i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety... ♦ Niroso tamin'ny fitokonana androany, ny ampahany tamin'ireo mpianatra eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo. Nisy naratra vokatr'izany... ♦ Mahatsikaritra fihoaram-pefy samihafa ny KMF/Cnoe amin'izao mialoha ny fampielezan-kevitra izao. Miandrandra ny HCC handray ireo fepetra efa nambarany ity firaisamonim-pirenena ity...
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco