♦ Nahazo fitaovana vaovao hiatrehana ny valan'aretina entin'ny Corona Virus ny fitondram-panjakana malagasy... ♦ Nametraka vidin'entana raikitra hampiharin'ireo mpivarotra antsinjarany tsy manana facture nividianana entana tany amin'ny mpamongady ny Ministeran'ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asa-tanana... ♦ Misedra olana ara-pihariana ireo mpisehatra amin'ny lalam-pihariana ronono manoloana ny toe-java-misy amin'izao fotoana izao...
Alarobia 25 marsa 2020 — Ny nilazana fa haka nofo ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38 — Ny Teninao, ry Tompo, no fahamarinana, ary ny lalànao no fanafahana.
"Izaho sy ianao, isika rehetra, miombon'andraikitra hisitrahan'ny vehivavy ny zony". Mila mamantatra ny zon'ny vehivavy hita ao amin'ny : "CONVENTION UNIVERSELLE adoptée par l'Assemblée Générale des Nations Unies", tamin'ny 18 decembre 1979 isika rehetra : na lahy na vavy, mba hanampiana ny vehivavy hitovy zo amin'ny lehilahy amin'ny fanajana ny hasina maha olona. Tsy raisina intsony ny miralenta fa fitovian-jo mifototra amin'ny maha lahy sy maha vavy no tanjona.
Alahady 22 marsa 2020 — Alahady fahefatra amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 9, 1-41 — Izaho no Fahazavan'izao tontolo izao, hoy ny Tompo ; izay manaraka Ahy, hanana ny fahazavan'ny fiainana.
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco