Ilaina ny fahafantarana ny tantaram-pirenena mba hisian'ny fahatsaram-piainana, na eo amin'ny ankohonana io, na eo amin'ny fiaraha-monina, na eo amin'ny firenena... Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Ny fanitsiana ny olona dia zava-dehibe mba hampirindra ny fiaraha-monina. Ny fanitsiana "correction" dia dingana iray tsy maintsy lalaovana vokatry ny fitsarana nataon'ny olona iray na olona maro. Ny sehatra hahitàna sy hampiarana ny fanitsiana dia eo anivon'ny ankohonana, ny sekoly, ny fandraharahana, ary ny fiaraha-monina. Ny fanitsiana, raha ho an'ny mpianatra, dia fanazavana faharoa ireo lesona natao teo aloha. Ny fanitsiana dia tsy tokony hiteraka ratra ho an'izay hiantefany. Raha mizotra araka ny tokony ho izy ny fanitsiana eo anivon'ny ankohonana sy ny sekoly dia mora ny mandrindra ny fiaraha-monina. Ny fanitsiana olona iray dia tokony hifaningotra amin'ny zon'ilay olona voakasika.
Alarobia 18 mey 2022 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 1-8
♦ Mamolavola ny tatitra nasiônaly fahefatra mikasika ny fiovaovan'ny toetrandro Redd+ sy ny Birao Nasiônaly misahana ny fiovan'ny toetrandro, eto Madagasikara... ♦ Tafiditra amin'ny fankalazana ny taona eoraopeana ho an'ny tanora amin'ity taona ity, ny fiaraha-miasan'ny Delegasiôn'ny Vondrona Eoraopeana sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ary ny Fikambanana Plum'Art... ♦ Manodidina ny 30.000 eo isan-taona ny taratasy fitoriana tonga eny anivon'ny Fampanoavana eto amintsika. Tsy marina noho izany, hoy ny Minisitry ny Fitsarana, ny filazana fa tsy itokisan'ny olona ny Fitsarana Malagasy...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco