Zaro amin'ny lalana tokony alehany ny zanaka dia hanana ny fahavanonam-piainana izy. Ho lavitry ny herisetra sy ny risoriso izay manapotika ny fiaraha-monina izy ireo raha voataiza hanaraka ny lalana tsara. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Ilàna fiomanana ny fanambadiana fa tsy atao fahatany, toraka izany koa ny firosoana amin'ny firaisana ara-nofo. Raha hiresaka amin'ny olona manana olana, dia tsy maintsy fantarina aloha ny antony nisian'ny olana, amin'ny alalan'io no hamaritana ny vahaolana, izany hoe mila faharesen-dahatra. Na inona na inona zava-mahadomelina raisin'ny ray aman-dreny mandritra ny fahariana ilay zanany dia tsy maintsy misy fiatrakiny amin'ilay zanany izany.
24 mey 2023 — Alarobia, Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Ny Fanahy Masina no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, hoy ny Tompo, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 11b-19)
♦ Tsy hihemotra amin'ny fampihorohoroan azy, ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Razanamahaso Christine, manoloana ny fitsofohan'ny olona antsokosoko tao amin'ny trano fonenany tamin'ny herinandro teo... ♦ Nirodorodo teny amin'ny Foiben'ny CENI teny Alarobia androany, ny firaisamonim-pirenena malagasy. Rodobe nanaovana ady sisika, niantsoana ny mpikambana ao amin'ny CENI mba hanao ny asany araka ny andraikitra sy ny fahefana omen'ny lalàna azy... ♦ Hanamarika ny volana jona amin'ity taona ity ny fanandratana ny vokatra ara-pambolena eto Madagasikara...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco