♦ Manatanteraka fitsidihina eto Madagasikara, ny 4 hatramin'ny 9 septambra 2024, i P. Alfred Maravilla, Mpanolotsaina Jeneraly momba ny Misiona, ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... ♦ Manentana ny kristianina hivavaka ho an'ny olona tsirairay, mba hihaino ny fitarainan'ny tany, ny Papa François amin'ity volana septambra ity... ♦ Nanomboka androany ny dingana faharoa amin'ny fitsidihina apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-45, ataon'ny Papa François, izay tanterahany any Asie sy Océanie...
Mbola nametrahan’ny mpifidy ny fitokisany indray hitantana ny tranoben’ny tantsaha mpampokatra nasionaly mandritra ny dimy taona manaraka ny filoha ankehitriny, RAZAFIMBOLOLONA Angeline. Natao ny 30 Aogositra 2024 teny amin’ny CFFAMA Nanisana ny fifidianana mandrafitra ny birao nasionaly eo anivon’ny tranoben’ny tantsaha...
Ny fanadihadiana azahoana mamoaka antotanisa "STATISTIQUE" dia efa nampiasaina nanatsarana ny fiainan'ny mponina. Mba hampitombina tsara ny fanadihadiana dia valin-teny marina no angatahina amin'ireo tokan-trano na olona hadihadiana, omena antoka izy ireo fa tsiambaratelo ny loharano nahazoana ny valin-teny. Asan'ny INSTAT mahaleontena ny fanadihadiana. Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Manan-danja ny Fiangonana satria ao anatiny no amolavolana ny mpivavaka. Fiombonan'ny Kristiana mifankatia ao anatin'ny finoana sy fanantenana ny Fiangonana. Mampiombona Andriamanitra ; misterin'ny fiombonana ny Fiangonana ary avy amin'Andriamanitra izany, tamin'ny alalan'ny Pakan'i Jesoa Kristy, mampihavana. Izy Jesoa no mpampiombona... Katesizy momba ny vavaky ny fiangonana, tany am-piandohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco