28 jolay 2024 — Alahady Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 1-15)
Ny olon-dehibe dia 32 isa ny nifiny. Ny areti-nify dia mety hiteraka olana amin'ny fandevonan-kanina sy endrika. Ny fiatombohan'ny areti-nify dia ny tsy fahadiovan'ny ati-vava. Ny areti-nify dia mety hatonga olana any amin'ny fo sy ny voa. Ny fisorohana ny areti-nify dia ny fanadiovana ny nify sy ny ati-vava, indrindra rehefa mihinana zavatra mamy. Miteraka fofona ratsy ao am-bava ihany koa ny areti-nify. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Notanterahana tao amin'ny renivohitry ny Diôsezin'i Mahajanga, ny fiofanana ho an'ny katesista avy ao amin'ny Distrika Misiônera Maevatanana, tamin'ity herinandro ity... ♦ Nanentana ny rehetra hiaina ny fitiavana, ny Arsevekan'i Toamasina, tamin'ny fanokafana ny lanonana famaranana ny taom-bolamenan'ny Fihavaozana Karismatika Katôlika Fiombonana, eto Madagasikara... ♦ Tontosa tamin'ny 13 jolay 2024, ny Antenimiera nataon'ny tanora tao amin'ny Diôsezin'i Farafangana, ho fanomanana ny JMJ Diôsezy...
Misedra olana amin'ny fanondranana ny vokany ny kaoperativa Taratra avy Analanjirofo amin'izao fotoana izao. Manomboka miditra amin'ny fanondranana ny voly fanondrana ifotoran'izy ireo mantsy ity kaoperativa ity ankehitriny saingy betsaka loatra hoy ny tompon'andraikitra ny pitsopitsony vola aloa noho ny lamina misy.
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco