Mitolona amin'Andriamanitra, endriky ny vavaka, hatramin'izay i Jakôba dia efa afaka niresaka tamin'Andriamanitra toy ny amin'ny namana sy ny olona akiaky. Indray alina dia nahatapa i Jakoba fa misy zavatra maro tsy voafehiny, tamin'io fotoana io no naverin'Andriamanitra amin'ny fahatsapany ny maha olona misy fetra azy izy, mety ho resy sy matahotra ary mitebiteby. Katesizy momba an'i Jakoba, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Tsy afaka misaraka ny safidy sy ny fitiavana. Ny safidy dia isan'ny fanomanana ny olom-pirenena. Ny olom-pirenena no fototra maha firenena ny firenena iray. Mijanona ho vahoaka fotsiny ny ankamaroan'ny olona +18 taona fa tsy tsy mahatsiaro tena mihitsy ho olom-pirenena. Ny sehatra rehetra iainan'ny olombelona dia misy safidy hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny tranga rehetra mifandraika amin'ny tsingerin'ny fadimbolana dia tokony ho fantatry ny vehivavy amin'ny ankapobeny. Ny ahafantarana fa hitsahatra ny fadimbolana : manomboka amin'ny faha-45 taona amin'ny ankapobeny, mihalava ny fiverenan'ny fadimbolana, mafana tampoka ilay vehivavy, marary andoha tampoka, vizaka tampoka, tsy taitra amin'ny firaisana ara-nofo intsony... Tsy aretina ny fitsaharan'ny fadimbolana fa toe-batana maha vavy. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
10 jolay 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahefatra ambin'ny folo Mandavantaona — Efa nataoko hoe Sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 1-7)
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco