Alarobia 23 marsa 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Izay hanatanteraka sy hampianatra ny didy dia ho lehibe amin’ny Fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 17-19
♦ Mafampana ny fitakian'ny mpianatra eny amin'ireo Oniversite eto amintsika. Olana amin'ny fahataran'ny fisoratana anarana no mahatara ny vatsim-pianarana, hoy ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa... ♦ Nampahafantarina androany ny tetik'asa vaovao, tohana ho an'ny fanavaozana sy ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra, eo amin'ny rafitry ny famokarana ara-tsakafo. Tetik'asan'ny FAO, iaraha-manatanteraka amin'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana...
Ny "samirery" sy ny "samy irery" dia samy fampiasa, fa ity farany dia entina hanambarana tranga mitovy amin'ny olona tokana itovizana amin'ny maro, izay misy fampitahana. Ny voambolana "Afaka" sy ny "Azo" hampiasaina araka izao manarika izao, araka ny fihafaran'ny filaza madidy ny teny manaraka azy : Raha miafara amin'ny "A" dia hampiasaina ny "AFAKA", ohatra : Tonga - Tongava - afaka tonga ; raha miafara amin'ny "O" na "Y" dia "AZO" no fampiasa, ohatra : Atao - Ataovy- Azo atao. Voambolana mitovy ihany ny "TOA sy ny TOY" fa hampiasaina ny "TOA" rehefa miatomboka amin'ny "A" ny teny manaraka azy.
Ny fampandrosoana dia "fizorana miala amin'ny tontolom-piainana tsy dia mendrika ny maha-olona, mankay amin'ny tontolom-piaianana mendrika ny maha-olona kokoa". Ny taona 1967 : ho fanatanterahana ny fanirian'ireo ray aman-dreny tao amin'ny konsily dia natsangan'ny Papa Paul VI, ny vaomiera Pontifikaly " rariny sy fiadanana". Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco