Mampitombo ny fahalalany sy ny traikefany hanatsaràna ny seha-pamokarana ilofosany, ao amin'ny Ivon-toeram-piofanana momba ny fampandrosoana sy ny fahavitan-tena eny amin'ny tontolo ambanivohitra na ny CEDAR Ezaka Maintso, ireo tantsaha ao amin'ny kaominina Ivato sy Kaominina Talatamaty ato amin'ny distrika Ambohidratrimo.
Ny tsirairay no tompon'andraikitra voalohany hiaro ny fahasalamany vao ny hafa. Ny fifampizarana androany dia natao ho fampahafantarana sy fanampiana ny vehivavy hiaro ny tenany amin'ny aretina. Misy ny soatoavina kristiana tokony hiainana ka ny fivadihana amin'izany eo amin'ny lehilahy na vehivavy, na zatovo, na tanora, na lehibe dia miafara amin'ny tsy fahasalamana na ho ela na ho haingana ary mety miafara amin'ny fahafatesana ara-batana sy ara-tsaina na ara-panahy mihitsy...
Ny votoatinny : Nampitandrina ny Ansiklika, nanohitra ny fanosihosena ny fahafahan'ny olona hanorina fikambanana ary nantitranteriny ny foto-kevitra momba ny firaisan-kina sy ny fiaraha-miasa. 40 taona no nanoratana ny Rerum Novarum, nisy ny krizy ara-toekarena ny taona 1929. Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
♦ Tombontsoa ambonin'ny firenena no nametrahana ny Governemanta vaovao, hoy ny Praiminisitra, manoloana ny fanovana ireo minisitra sasany... ♦ Tsy nanatrika ny famindram-pahefana teo anivon'ny Minisisteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Fananan-tany ny Minisitra teo aloha, Hajo Andrianainarivelo... ♦ Nivoaka tamin'ny fahanginany ny Federasiôna Sport Boule Malagasy, herinandro tao aorian'ny vaovao niparitaka fa voasazy ny taranja tsipy kanetibe eto Madagasikara...
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco