Eo amin'ny fiainan'ny zanak'olombelona dia tandra vadi-koditra ny fisendrana olana izay miseho amin'ny endriny maro samihafa. Azo avadika ho fiombonam-piainan'ny fianakaviana anefa izany rehefa hiarahana mitady ny vahaolana, indrindra ao anatin'ny fianakaviana ka hamelona fanantenana ho an'izany fianakaviana izany. Indrindra raha apetraka hialoha lalana eo ampamahana ny olana Andriamanitra... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Anisan'ny aretina iray mahazo ny vehivavy ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza. Amin'izao volana oktobra izao no hiresasahana mikasika izany, izay manazava sy manentana ny rehetra mikasika ny fisorohana ny aretina, izany hoe tsy firosoana amin'ny firaisana ara-nofo aloha loatra, fanaovana fitiliana, ary fanaovana vaksiny misoroka ny HPV, viriosy mitarika io homamiadana io. Ampahatsiahivina fa ny 18 oktobra no hanamarihana voalohany ny Andro Nasionaly ho an’ny Mpiantsehatra ara-pahasalamana Katolika, eo ambany fiarovan'ny Md Lioka, amin'ny lohahevitra hoe" Mpisehatra ara-pahasalamana: anjelin'ny fanantenana"... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny Evanjely dia avy amin'ny Apôstôly ary ny votoatiny dia ny toritenin'ny Apôstôly. Ny fiangonana dia nitana ary mitana fa ny fiavian'ny vaovao mahafaly efatra dia ny Apôstôly. Ireo zavatra notorian'ny Apôstôly araka ny baikon'i Kristy, nampitain'ireo Apôstôly sy ireo lehilahy niara-belona taminy avy eo, noho ny fitsofan'ny Fanahin'Andriamanitra no fototra iorenan'ny finoan'ny kristiana... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
• Nanao fanambarana manoloana ny zava-misy eto amin'ny firenena androany, ny mpitandrina eo anivon'ny FJKM. Miantso ny hanaovana fanadihadiana lalina momba ny zava-misy. Takiana ihany koa ny famoahana ireo voasambotra noho ny fanehoan-kevitra nataony... • Naparitaky ny mpitandro ny filaminana io takariva io, ireo mpanao fihetsiketsehana teny Anosy sy ny manodidina. Nisy ireo naratra novonjen'ireo mpitsabo mpanao asa an-tsitrapo... • Toherin'ireo antoko mpanohitra ny fanendren'ny Filoham-pirenena ny Praiminisitra vaovao omaly. Fiantsiana sy tsy fahavononana hitady vahaolana miaraka, izao zava-misy izao, hoy ny Vovonana Firaisankina...
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco