♦ Nanao fanentanana ny hijerena manokana ny fiainam-bahoaka, ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, nandritra ny fametrahana araka ny fomban'ny Fiangonana an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, tany amin'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Nodimandry teo amin'ny faha-56 taonany, i Mompera Ramarosandratana Ignace, avy ao amin'ny fikambanana Salezianina Don Bosco, androany zoma 17 febroary 2023... ♦ Ny dian'ny karemy sy ny Sinaody dia mikendry fivoan-tarehy, io no hafatry ny Papa François, amin'izao karemy hiatomboka ny 22 febroary 2023 izao...
Manana ny teboka zeôdejika ho azy avokoa ny Faritra 23 rehefa tafapetraka ny an'ireo Faritra miisa 07 farany. Maherin'ny 205 tapitrisa Ariary no natokan'ny AD2M (Appui au Developpement de Menabe et Melaky) ametrahana azy. Apetraka amin'ny Faritra miisa 07 mbola tsy manana azy ny teboka zeôdejika. Fitaovana ahafahana mahazo ny sarin-tany avy amin'ny zan-bolana mba ho azo ampiasaina amin'ny lafiny fananan-tany.
Antsoina isika rehetra hampiseho fangorahana sy halemem-panahy amin’ny marary. Ao anatin’ny traikefan’ny faharefoana sy ny aretina indrindra no ahafahantsika mianatra miara-dia araka ny fomban’Andriamanitra mangoraka sy malemy fanahy.Ilay samaritanina tsara fanahy no ohatra ho antsika amin’ny asa fanompoana tokony hatao: Fihaonana mivantana amin’ny marary, fitsaboana, tranombahiny, ny tompon’ny tranom-bahiny, ny vola, ny fanomezan-toky fa mbola hanome vaovao mikasika ilay marary. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Ny ezaka atao mba hiadiana ny fidonam-poana: ilaina ny tia karokaroka. Ny fidonanam-poana mantsy tsy hifanaraka velively amin’ny maha vavolombelona Kristianina. Ohatra velona ho antsika i Masindahy Josefa, Masina Maria, Simeona ary Anna, tamin’ny nanolorana ny Tompo tao tempoly : ny zavatra hita sy tsapa voalohany dia ny fihetsika sy figagana teo amin’izy ireo. Katesizy momba ny fidonanam-poana, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco