Ny tsy fananan'asa dia isan'ireo antony mahabetsaka ny olona mandray zava-mahadomelina, io no mahatonga ny olona ho very fanantenana ka mitady zavatra hanandaniany andro, eo koa ny fanandrakandramana izay lasa fiankinan-doha. Ny fahatsapan'ny olona fa voailikilika izy dia mandrisika ny olona handray zava-mahadomelina, heveriny ho vahaolana afahany mahazo toerana eo amin'ny fiaraha-monina io fomba io... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
7 febroary 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambaràna avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 14-23)
Ny biby teo amin'ny tontolom-piaraha-monina Malagasy dia nampiasaina ho sakafo, nampiasaina tamin'ny famokarana, fanafody, alafaditra, natao sorona. Manomboka amin'ny fahaterahana hatramin'ny fahafatesan'ny olona iray dia misy hatrany ny fampiasana biby mba ho fampodiana aina, fiarovana amin'ny loza... Isan'ireo biby heverina manana ny hasiny ny akoho, ondry, osy, omby, bibilava, voay, fanano, amalom-bandana... Ny bibin-dRamahavaly dia sampy, nampiasaina ho mpitari-tafika, sy mpitsapa entan'Andriana tamin'ny andron'i Radama-I...
♦ Feno folo taona katroka ny naha Arsevekan’Antsiranana an’i Mgr Benjamin Marc Ramaroson… ♦ Notanterahana tamin’ny sabotsy 03 febroary 2024 teny amin’ny ISTS Mandrimena, ny fankalazana ny Andron’ny Olom-boatokana, teto amin’ny Diosezin’Antananarivo… ♦ Ny fiovana sy ny fibebahana no tena maha kristianina, hoy ny Papa François, tamin’ny vavaka Angélus, omaly… ♦ Nivavaka ho an’ireo maty noho ny doro tanety tany Chili, ny Papa François…
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco